Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanokafana ny masoivohon’i Madagasikara ao 30 R Old Said Rabat Souissi, Maroc, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, afakomaly, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Niaraka tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny maraokanina misahana ny fiaraha-miasa afrikanina sy maraokanina, Sem Nasser Bourita, izy tamin’izany. Nilaza ity farany fa zava-dehibe ho an’ny firenena maraokanina ny fananganana ny masoivoho toy izao, fa hanamora ny fifandraisana amin’i Madagasikara. Nambaran’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika kosa fa hametraka dingana vaovao eo amin’ny tantara izao fanokafana ny masoivoho ao Rabat izao. Hametraka indray ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Maroc eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Nisaorany ny Agence marocaine de coopération internationale (AMCI) tamin’ny fanampiana sy ny nahazoana nanatanteraka ny iraka.
Tapaka tamin’ny 2019 ny fananganana ny masoivoho any Rabat. Tanteraka izany amin’izao miaraka amin’ny fanendrena ny ambasadaoro Johary Hoela Rajobson, tamin’ny 28 aogositra 2024. Manan-tantara ny fanokafana ny masoivoho fa voatsiahy ny naha sesitany ny Mpanjaka Mohammed V tany Antsirabe, teo anelanelan’ny taona 1954 sy 1956. Tamin’ny 15 aogositra 1994 kosa no niorenan’ny fiaraha-miasa ofisialin’ny firenena roa tonta, ary tamin’ny 2006 no nanokafana ny masoivohon’i Maroc eto Madagasikara. Teo koa ny fitsidihana manan-tantara nataon’ny Mpanjaka Mohammed VI teto Madagasikara, novambra 2016.
R. Nd.