FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny firotsahan’i Madagasi­kara hofidina ho filohan’ny Vovonana parlemantera eo anivon’ny Sadc, taona 2024-2026, amin’ny desambra any Zambie. Manome sehatra ifanaka­lozan’ny parlemantera eo anivon’ny faritra io vovo­nana io. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-
miasa eo amin’ireo mpanao lalàna, eo anivon’ny vondrona.

Nihaona tamin’ny papa Fransoa tany Vatican, Roma, afakomaly, ny filohan’ny Fivondro­namben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Fabien. Nifampi­zarana ny fiainan’ny fiangonana sy ny firenena ankapobeny. Nambaran’ny papa Fransoa fa tokony ho akaiky ny vahoaka mandrakariva ny fiangonana, hihaino sy hisolo vava azy.

Volavolan-dalàna miisa enina no nankatoavina teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely, omaly. Tao anatin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina no nanaovana izany. Volavolan-dalàna manome alalana ny hanaovana sonia findramam-bola ireto nankatoavina ireto.Tetikasa natao hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro no hampiasana ireto vola ireto.

Partager sur: