Nanapaka ny tendan’ny namany: Voaheloka an-terivozona Ralinasinavola

Niakatra teny amin’ny fi­tsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, omaly ny an­tontan-taratasin’ady laharana faha-129-Toa/24. Trangana vono olona niseho tao Amba­latenina, kaominina ambanivohitra Fetraomby, disitrikan’i Brickaville, ny 17 marsa 2023.

Raha ny fifandaharana nandritra ny fitsarana, niaraka avy any ambanivohitr’Amba­latenina nitondra akondro manta namidy tany Brickaville Ralinasinavola sy Sampilahy Erneste, samy nahalafo ny azy satria efa misy mpividy akondro miandry eo amoron-dranon’i Brickaville. Taorian’ izay, samy niakatra nividy kojakoja sy sakafo ilaina ao an-tokatrano hoentina any ambanivohitra izy ireo. Nanda ny fiampangana azy ho na­mono Ralinasinavola. Raha ny fiarovan-tenany teo anoloan’ ny fitsarana, nambarany fa namely azy tamin’ny antsy voalohany i Sampilahy Erneste. Voarainy izany ka naveriny tany aminy. Vokany, tapaka mihitsy ny tendan’i Erneste.

Nifamaly izy roa lahy…

Nanambara ny vavolombelona fa samy mitondra antsy lava izy roa lahy. “Tsy nahalala izay antony nifamalian’izy roa lahy eo alohanay izahay fa ny zavatra hitanay fotsiny dia ity voampanga namira antsy tampoka ny tendan’i Sampilahy. Nipitika ny lohan’ ity niharam-boina. Nanenjika izahay fa ni­tsoaka izy ka nanatona tanàna haingana niantso ny fokono­lona”, hoy ny vavolombelona. Nilaza ny mpampanoa lalàna fa ny 60 isan-jaton’ny vono olona tsaraina ao amin’ny fi­tsarana ambony misahana ny ady heloka bevava dia saika fira antsy avy ao amin’ny distrikan’ i Brickaville. Toy ny kilalao amin’ny olona anatin’io distrika io ny mamira antsy olona. Nitaky ny hampiharana ny lalàna famaizana ny voampanga izy. Taorian’ny fandaharana, nilatsaka ny didy famaizana manameloka an-dRali­nasinavola.

Sajo/Yves R.

Partager sur: