Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fametrahana fitsarana mangarahara. Efa misy ny asa sy dingana ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany.
Nifarana omaly ny atrikasa fanamarinana ny didim-pitsarana natao tany Ampefy, nanomboka ny 26 novambra teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, tohanan’ny USAID sy ny Pnud izy ity ary fiaraha-miasan’ny minisiteran’ ny Fitsarana sy ny « Mouvement pour l’éthique et la déontologie de Madagascar » (Medem). Tanjona ny hanamarina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny fanafoanana didim-pitsarana navoaka teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2018. Eo ihany koa ny famitana ireo fitaovana niomerika amin’ny fanaovana an-jotra izany. Natao izany mba hisian’ny fitsarana mangaraharaha sy ho an’ny rehetra.
Didim-pitsarana manodidina ny 2 090, navoaka teo anelanelan’ ireo taona voalaza ireo, no nofantenan’ny Medem halalinina nandritra ny atrikasa. Ny 1 016 amin’ireo no voamarina fa efa mandrafitra ny angona fototra, araka ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ ny minisiteran’ny Fitsarana. Dingana maro sy tena goavana no lalovana vao voaangona sy voapetraka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ho an’ny sarambabem-bahoaka. Hanamafy ny mangarahara sy ny fahombiazan’ny rafi-pitsarana ary hanamora ny fahazoana ny lalàna ho an’ny rehetra, araka izany, ity tetikasa ity.
Mifanindry an-dalana amin’ izay fanamarinana ny fanafoanana didim-pitsarana izay, efa am-periny ihany koa ny famolavolana ny sehatra niomerika. Sehatra ahafahan’ny rehetra manaraka akaiky ny momba ny fitsarana sy ny lalàna malagasy. Hanampy amin’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fitsarana, amin’ny fametrahana fangatahana fanafoanana didim-pitsarana ary hiantoka ny fampitomboana ny fahatokisana ny fitsarana ity sehatra niomerika ity.
Lin