Betsi-Groupe : hampandany an’i Harilala Ramanantsoa

Nanao fanambarana ny amin’ny fahavononany hampandany ny kandidà Harilala Ramanantsoa ny fikamba­nana Betsi-Groupe. Ity kan­didà ity izay laharana fahafito mirotsaka hofidina eto Anta­nanarivo Renivohitra. Teny amin’ny Live Hotel Andava­mamba no nanaovana izany, omaly. “Tanjona ny fampandrosoana eny ifotony ary tomponandraikitra voalohany amin’ izany ny ben’ny Tanàna. Tom­bony lehibe ihany koa ny miara-dia amin’ny fitondram-panjakana ka izany no hanohanana ireo kandidà ao anatin’ny vondrona Irmar” hoy Raholy Julien, mpandrindra ny fikambanana Betsi-Groupe. Nisy, araka izany, ny antso nataon’ny fi­kambanana, indrindra ho an’ny zanaky ny foko Betsileo eto Antananarivo, ny amin’ny fanohanana sy fampanda-niana ny kandidà Harilala Ramanantsoa.
Mitombo hatrany ireo fi­kambanana sy antoko politika resy lahatra amin’ny kandidà laharana fahafito ka mano­hana sy vonona hampandany azy. Ny vinan’asa sy ny fiarahana amin’ny fitondram-panjakana no tena naharesy lahatra azy ireo hanohana io kandidà io. Raha tsiahivina, vinan’asa tena mamaly ny filan’ny va­hoakan’Antananarivo no entin’ ny kandidà Harilala Ramanan­tsoa. Vina izay hanatsara ny endrik’Antananarivo, na anatiny na ivelany. Anisan’izany ny fijerena manokana ny lafiny fanabeazana. Eo ihany koa ny fandrindrana ny tanàna amin’ ny lafiny fifamoivoizana sy fahadiovana.

Lin

Partager sur: