FANTINA sy FINTINA

Nofanin’ny antoko Avi amin’ny azo atao sy tsy azo atao mandritra ny fifidianana ireo ben’ny Tanàna sy delegen’ny biraom-pifidianana amin’ny kaominina Ivato, Ambatolampy Tsimahafotsy, Talatamaty. Ny delege no miantoka ny maha ara-dalàna sy ny fanamarinana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filoham-boninahitry ny Avi, Ratsirahonana Norbert, teny Ankadindravola, omaly.

Vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny FMI. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, sy ny solontenan’ny FMI miasa sy monina eto Madagasikara, Eklou Kodjovi. Hijery akaiky ireo sehatra sahala amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ihany koa ny FMI.

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, omaly, teny amin’ ny birao fiasany Anosy, ny tale jeneralin’ny ONG Mercy Ships. Tao anatin’ny fihaonan’ny roa tonta no nanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy. Anisan’ny vaovao kosa ny hisian’ny fanofanana ireo mpitsabo hataon’ity ONG ity.

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny tanà­nan’Antananarivo, ny “Donakafon’Analakely” nanaovan’ireo kandidà milatsaka hofidina eto Anta­na­narivo adihevitra. Ny kandidà Tojo Ravalomanana ihany no tsy tonga niatrika ny adihevitra. Nandritra izany no nampahafantaran’ireo kandidà ny vinan’asany sy ny foto-kevitra ijorony.

Partager sur: