CCOC : “Tsy ampy ny tetibola ho an’ny sehatra sosialy”

Nitondra ny fijeriny ny firaisamonina sivily CCOC momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Tsy ampy ny tetibola ho an’ny sehatra sosialy, araka ny nambarany.

“Tsy ampy ny vola atokana ho an’ny sehatra sosialy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny firaisamonina sivily CCOC, Radert Hony, tamin’ny mpanao gazety, teny Ambatonakanga, omaly, ny amin’ny famakafakan-dry zareo ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025. Maromaro ny tian-dry zareo hojeren’ny depiote lalindalina kokoa ary hiadian-kevitra. Ao anatin’izany, ohatra, ny vola enti-manana ny tetikasa lehibe toy ny fanaovana lalana migodana sy ny angovo. Mitombina ve ny vola ho amin’izany ary aiza ny paikadin’ny governemanta amin’ny fampiasana izay vola izay ary inona ny vokatra ho azo? Ny fanjakana marina ve no manao fampiasam-bola amin’ny enti-manana ny angovo azo havaozina sa misy fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina?
Efatra ny lohahevitra lehibe no angatahin-dry zareo amin’ny fandaniana ny tetibolam-panjakana, araka ny nambaran-dRakotonirina Miaro­sata. Voalohany ny fanatsarana ny fitantanana ny volam-panjakana mba hisy fangaraharana, tamberin’andraikitra, ary rindran-damina amin’ny fampiasana azy. Manaraka, fanaovana ho laharam-pahamehana ny sehatra sosialy. Fahatelo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny firenena ny fampiasam-bola. Fahefatra, fanaovana ho laharam-pahamehana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny faritra, ny fanomezana tetibola hanampiana ny kaominina.
Manoloana ny fampitomboana ny hetra sy ny fikasana hampitombo ny fidiram-bolam-panjakana, mba hisy bebe kokoa ny tamberin’andraikitra amin’ny fampiasana volam-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: