FANAFIHANA CASH POINT: Jiolahy efatra trata tany Ilafy

Voasambotra ny sabotsy 30 novambra teo, ny fahatelo tamin’ireo olon-dratsy tompon’atoka tamin’ny fandrobana Cash point teny Manjaka Ilafy. Nanaovan’ny polisy fanadihadiana lalina ny momba io tranga fanafihana toeram-pandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy io. Naharatrana renim-pianakaviana iray nandritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy mitam-piadiana, ny 30 aogositra lasa teo. Noraofin’ireo tsy valahara ny finday rehetra fampiasan’io tompona Cash point io sy ny vola.
Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery ny vadin’ny lasibatra. Roa volana taty aoriana, telo ireo olona voasaringotra tamin’io raharaha io. Nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana lalina, niaiky heloka ary nitoroka ny olona hafa niray tsikombakomba tamin’izy ireo. Vokany, lehilahy iray hafa, nandray anjara tamin’io asa ratsy io, tra-tehaky ny polisin’ny USI ny 30 novambra teo. Notanana vonjimaika any am-ponja ireo olona voasambotra ny volana oktobra lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: