Maty tsy tra-drano ny ankizilahy mpiray tampo vokatry ny lozam-piarakodia mahatsiravina nitranga tao Ankazondrano Fianarantsoa, omaly tolakandro. Notrongisin’ny kamiaobe iray tapaka hisatra ny moto nentin’ny raim-pianakaviana iray niaraka tamin’ireto zanany roa lahy. Hanatitra ireo zanany hianatra ity raim-pianakaviana ity kanjo izao tra-doza tampoka izao izy telo mianaka. Raha ny fampitam-baovao voaray, tapaka hisatra avy any Andohan’Ivory ilay fiarabe ka namantana teo Ankazondrano amin’ny tetezana. Nirimorimo mafy avy any amin’ny fidinana io fiarabe io ka niafara teo amin’ny tetezana. Moto sy fiara maro indray voafaoka, ankoatra ireo telo mianaka niharam-boina. Mafy ny dona nateraky ny loza avy amin’ilay kamiaobe ka niparitaka mihitsy ny atidohan’ireo ankizy niharam-boina. Ranomaso ny an’ireo olona rehetra nahita ny fitrangan’ny loza. Tampoka rahateo ny fiavian’ny loza. Naratra mafy koa ny rain’izy roa lahy. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly io raim-pianakaviana naratra mafy io ary efa tsy misy atahorana intsony ny ainy. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny polisy. Potika avokoa ireo fiara rehetra voatrongy. Notazonina hanaovana famotorana ny mpamilin’ilay kamiaobe.
J.C