Vehivavy voaroba teo Tsiadana: voatazona eny Antani-mora ilay voarohirohy

Nohazonina vonjimaika any Antanimora, omaly, ilay voarohirohy ho nandroba sady nikasa hanolana vehivavy iray teo Tsiadana, Boriborintany faharoa. Hamonjy fodiana, nosakanan’ny telo lahy ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, ny zoma 29 novambra tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy na inona na inona teny aminy fa finday tsotra niampy ny kapa teny an-tongony no nentin’ireo olon-dratsy. Nokasain’izy ireo haolana io lasibatra io kinanjo nisy olona nandalo tampoka. Nirifatra nandositra ireto farany saingy fantatr’ilay mpandalo avokoa ny endrik’izy ireo. Nidinan’ny fianakavian’ny niharam-boina tany amin’ny trano fonenany ny roa lahy. Natolotra ny mpitandro filaminana taorian’izay. Nahazo fahafahana ny iray izay tsy ampy taona raha toa ka voatana vonjimaika eny Antani­mora ilay namany.

Tsiferana R.

Partager sur: