Vaomiera fiampanga amin’ny HCJ : Voafidy ho filoha ny depiote Resampa Haja

Voafidy teny Tsimbazaza, omaly, ho filohan’ny vaomiera eny anivon’ny Antenimierampirenena, mpandinika ny antontan-taratasy fiampangana ireo olom-panjakana ambony amin’ny Fitsarana avo (HCJ) ny depiote voafidy tany Morondava, Resampa Hajaharimalala. “Hotanterahina ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna mifehy ny HCJ ny andraikitra”, hoy izy tamin’ny mpanao gazety. Hiaraha-midinika
amin’ireo depiote ao anatin’ny vaomiera: inona ny tohin’ny tokony homena ny antontan-taratasy tonga eo an-tanan’izy ireo? Io vaomiera io no mandinika ireo antontan-taratasy tonga eo aminy ny amin’ny fiampangana ireo tomponandraikitra izay hoentina eo amin’ny HCJ, araka ny fanazavany. Misy 25 ireo depiote mpikambana amin’izany. Misy adihevitra izany ao, fa tsy hoe fanapahan-kevitry ny filohan’ny vaomiera fotsiny no tanterahina.
Voafidy, omaly, koa ireo solontenan’ny Antenimieram­pi­renena ho mpikamban’ny HCJ. Voafidy ho tompon-toerana ny depiote Andrianirina Narcis, voafidy tany Mahabo tamin’ny anaran’ny Irmar; ny depiote Maminirina Jolce Emilien voafidy tany Mana­kara tamin’ny anaran’ny Irmar. Voafidy ho mpisolo toerana kosa ny depiote tsy miankina tany Farafangana Raby Sa­vatsarah Ain Harimanga Gabrielle, ny depiote voafidy tany Lalangina, Rivotiana Richard Jean Bosco tamin’ny anaran’ny Irmar.

R. Nd.

Partager sur: