Tohivakana hatrany ny halatra kobalta sy nikela ao amin’ny tetikasa Ambatovy, ao Antanandava, ny taona 2023. Manimba endrika ny firenena malagasy eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena izany. Ny talata 26 novambra 2024 teo, tokony hiakatra fanindroany ao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ity raharaha halatra sy fanodinkodinana kobalta sy nikela ity. Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany, araka ny voalaza ao amin’ny antontan-taratasin’ady laharana faha-33-Toa/23. Olona valo mianadahy indray voarohirohy amin’ ity raharaha halatra ao amin’ ny tetikasa Ambatovy ity. Mangataka onitra rahateo ny tetikasa Ambatovy. Misy vavolombelona telo amin’izao raharaha izao. Nitrangana halatra intelo nisesy tao amin’ny orinasa ny taona 2023. Voalohany, nahatrarana halatra nikela 500 kg. Nitohy ihany izany ka nikela sy kobalta milanja 1 taonina sy 500 kg indray no tratra fanindroany.
Niova vatokely ny tao anaty kaontenera
Ny fahatelo, voahodinkodina indray koa ny kaontenera valo misy ny vokatra ao Ambatovy. Niova vatokely tampoka ny tao anatin’ireo kaontenera efa saika haondrana. Tsy hita kosa anefa ny nanjavonan’ireo tena vokatra haondrana. Raha ny lafiny ara-pitsarana, tsy nisy voatazona am-ponja vonjimaika ireo valo voarohirohy taorian’ny fampiakarana azy ireo teny amin’ny fampanoavana. Antontan-taratasy efa tokony ho notsaraina tamin’ny andian’ny faharoan’ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava, ny taona 2023 ity raharaha ity. Tsy nisy tonga ireo voampanga tamin’io fotoam-pitsarana io. Niakatra fitsarana indray izany ny talata 26 novambra teo saingy tsy mbola nipoitra ihany ireo voarohirohy. Vokany, namoaka didy fampisamborana ireo voarohirohy valo mianadahy ny fitsarana mba hiatrika fitsarana sady famaranana ny fotoam-pitsarana, taona 2024, ny 26 desambra 2024 ho avy izao.
Sajo