Fanondranana olona any Chine : Naiditra am-ponja ireo atidoha

Tratra, notanana any am-ponja avokoa, ireo efa-bavy mpa­nondrana olona antsokosoko mankany Chine, afakomaly. Voasambotry ny mpitandro filaminana miasa ao Ivato, ny 15 novambra lasa teo, ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ka nahafahan’ny zandary nanokatra fanadihadiana. Nahazo volabe an-tapitrisany ireo mpisoloky. Halefa hanambady sinoa ireo vehivavy nangalana vola teto an-toerana. Fijaliana sy fanandevozana no miandry ireo tafaroboka anatin’ny fitaka. Nanao fitoriana noho ny fivadiham-pitokisana sy fisandohana azy ireo lasibatra. Vokany, dimy mianadahy niara-voasarin­gotra tamin’ity raharaha ity. Vehivavy mpandresy lahatra sy maka ny vola eny amin’ireo lasibatra ny roa. Mpampifandray mivantana amin’ilay ekipany any Chine momba ity fanondranana olona antsokosoko ity ny vehivavy iray hafa. Tratra niaraka tamin’ity farany koa ny vadiny izay anisan’ny manampy azy ireo amin’ny fanamorana ny antontan-taratasy ahafahan’ ireo vehivavy mandeha.

Tsiferana R.

Partager sur: