Vehivavy matin’ny daroka: Tompon’antoka ny vadiny sy ny sakaizany izay bevohokany

Vita ny fitsarana ireo mpisakaiza voampanga ho namono nahafaty ny renim-pianakaviana, 10 taona an-tranomaizina sazy mihatra ho an’ilay lehilahy. 5 taona, ho an’ny sakaizany izay voaheloka noho ny famonoana olona tao Toamasina II. Vadin’ilay rangahy io maty io.

Niakatra fitsarana tao amin’ny efitrano ambaratonga voalohany misahana ny ady heloka bevava, afakomaly, voaheloka higadra an-tranomaizina ny lehilahy namono ny ramatoa vadiny, tao amin’ny kaominina Man­gabe, distrikan’ i Toamasina II. Nisakaiza tamin’ny vehivavy hafa ilay lehilahy, ny taona 2023 teo. Matetika nitrangana olana, araka izany, teo amin’io lehilahy io sy ilay tena vadiny. Voadarodaroka sy niharan’ny vono ilay ramatoa. Naratra mafy izy ka nitarika tamin’ny famoizany ny ainy izany, ny 13 aogositra 2023. Mody niantso vonjy tamin’ny manodidina anefa io lehilahy io. Nilaza izy fa nisy namono ny vadiny. Nentin’ny fokonolona teny anivon’ny hopitaly ilay ramatoa fa tsy tana ny ainy.

Ren’ny manodidina
Nitsoaka tany amin’ny vadikeliny ilay rangahy. Nampia­hiahy ny havan’ny maty noho izany ny fihetsik’io lehilahy io. Niroso amin’ny fikarohana sy ny fisamborana io nahavanon-doza io ny mpitandro filaminana. Nanda ny fiampangana azy ho namono nahafaty an-dramatoa vadiny ity lehilahy ity. Nentina natao fanadihadiana kosa, ny sakaizan’ilay lehilahy izay nanafina azy nandritra ny fikarohana. Tsy nanaiky ny fianakavian’ilay ramatoa vadiny izay nanana ny maty. Nisy vavolombelona nahare azy mivady nifamaly anefa tamin’ny andro nisehoan’ny loza. Nato­lotra ny fitsarana ny raharaha, niaiky heloka ihany ilay nahavan-doza. Niafara amin’ny fihazonana azy sy ilay saikazainy any am-ponja izany.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: