Tra-tehaky ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP6 i Gelobe, mpanendaka ikoizana eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Ambohimanarina, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny ity olon-dratsy ity teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao Madera. Manoloana ny feo miely momba ny fisian’ny olon-dratsy manendaka sy manao sinto-mahery amin’io toerana io, nidina ifotony nanao fisafoana ny polisy. Voasambotra teo am-panaovana ny fanendahana io lehilahy io. Nikasa hanohitra ny mpitandro filaminana nisambotra azy izy. Voadaroka ka naratra ny lohany. Nentina natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana.
Tsiferana R.