Fandaharanasa Mifampitsimbina : hizarana fanampiana ny tokantrano marefo

Manatanteraka ny toky nomeny ny filoha, Rajoelina Andry. Nantomboka omaly, ny fandaharanasa ”Mifampitsimbina”. Hahazo ny anjarany ny tokantrano marefo isaky ny renivohi-paritany.

Notanterahina omaly teny kianja ANS Ampefiloha ny fanombohana ny fandaharanasa “Mifampitsimbina”. Nanokatra izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nanotrona azy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina ary ireo olom-panjakana maro samihafa. Tokantrano ma­nodidina ny 7800 avy ao amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra no nisitraka ity andiany voalohany ity. Heverina ho tokantrano marefo ara-pivelomana miisa 18000 no hisitraka izany. Haharitra efatra andro ny hetsika ho an’ny eto an-dReni­vo­hitra. Vary 50 kilao, menaka, savony ary sakafo maro samihafa no omena ireo mpisitraka mandritra izany. Tanjona ny hanamaivana ny fahasahirananana eny anivon’ny tokantrano tsirairay.
Tsy hijanona eto an-drenivohitra ihany anefa izany fa tsy ho diso anjara ny any Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Antsiranana ary Toamasina. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny andry telon’ny fitondram-panjakana ny fitsinjovana sy fampivoarana ny maha olona. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny vina sy fanambin’ny fitondram-panjakana ity fiahiana ara-tsosialy ny mponina ity.

Laharam-pahamehana
Fototra iray iankinan’ny fampandrosoana ny sosialim-bahoaka. “Sarotra ny hampandroso firenena raha mahantra sy sahirana ny vahoaka ao aminy”, hoy ny filoha. Tsy ijanona amin’ny fanomezana fanampiana ihany, araka izany, ny fitondram-panjakana fa hisy ny fanofanana arakasa ho an’ireo sahirana. Tanjona ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. “Hanao fanofanana isika mba ahafahanareo mahaleo tena. Omena fitaovana ianareo. Hanampy anareo aho, ary tsy mijanona isika raha tsy resintsika ny fahantrana, raha tsy miova sy mivoatra ny fari-piainan’ny tokantrano rehetra eto Antananarivo”, hoy ny Filoham-pirenena, omaly.

Lin

Partager sur: