“Ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ity, mikasa ny hanara-maso biraom-pifidianana miisa 2 455 miparitaka amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto Madagasikara ny Safidy”. Hoy ny Safidy, novakin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly. Nosafidina arakaraka ny habetsahan’ny mpifidy ao aminy ireo kamonina ireo. Eo koa ny lanjany stratejika momba fifidianana: tanàn-dehibe, renivohi-paritra na distrika, faritra ambanivohitra sy manodidina ny tanàn-dehibe. Toy izany koa ny fahavitrihana ara-politika, ny fisian’ny mpanara-maso mavitrika sy mahitsy. 1 737 ireo mpanara-maso maharitra sy fohy ezaka avy amin’ny fikambanana, ONG, vondrom-pikambanana, tambazotra miisa 386 ka mitsinjara 78% ny tanora, 50% ny vehivavy ary 2% ny PSH. 208 amin’izy ireo no mpilatsaka an-tsitrapo. Manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny tetikasa Manehoa/LEM tarihin’ny Internews ary tanterahan’ny fivondronam-pikambanana maromaro ka anisan’izany ny ONG Ilontsera sy ny ONG Communication Idea Development (CID) ny Safidy amin’izao fifidianana kaominaly izao. Hanao fanaraha-maso ny haino vaky jery mahazatra ny Manehoa, hamantarana ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy hanara-maso ny fizotry ny fifidianana ataon’ny mpanao gazety.
R. Nd.