Niakatra fampanoavana, omaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny polisy, lehilahy roa voasambotra tany Antsahameva, izay nahitana rongony “Skunk” 30 fonosana, ary iray hafa kosa tratra tao Ankadimbahoaka, izay nahitana 5 grama amin’ny “Méthamphétamine”. Raha ny angom-baovao hatrany, heverina ho tompon’andraikitra amin’ny fivarotana sy fanaparitahana zava-mahadomelina mahery vaika ireo olona voasambotra ireo. Marihina, anisan’ny miteraka fahasimban-tsaina ho an’ny tanora ny fidorohana tafahoatra ireo karazan-java-mahadomelina ireo. Manamafy hatrany ny ezaka ataony ny polisy amin’ ny fandraisana andraikitra hamongorana ireo tsimatimanota amin’ny fanapariahana io zava-mahadomelina io. Hamafisina ny fanaraha-maso, fisamborana, ireo mpivarotra sy mpanjifa, ary fanombohana hetsika vaovao mankany amin’ ny fanabeazana sy fampahafantarana ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina.
Yves R. (Mpianadraharaha)