Nifarana omaly, tao amin’ny fiangonana Cathédrale Maria Manjaka Namahora Morondava, ny fihaonamben’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) andiany faha-46. Tonga niatrika izany fivoriana izany avokoa ireo tomponandraikitry ny FFKM avy amin’ny faritra 23. Ny anjara toerana sy ny toerana tokony hisy ny FFKM manoloana ny zava-misy ankehitriny no tena noresahina tao anatin’izany.
Fanambin’ny kandidà Harilala Ramanantsoa ny hitsidika ireo fokontany 192 misy eto Antananarivo Renivohitra. Tanjona ao anatin’izany ny hamatarana ny olana sy ny filan’ny mponina isaky ny fokontany. Efa nisy, noho izany, ireo nahazo fotodrafitrasa tena ilain’ny mponina. Tsy hisy ny tombo sy hala, araka ny nambarany fa samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra.
Nanao fanambarana maneho ny fanahiany manoloana ny fanitarana ny fe-potoana ahafahana mampiditra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana ny depiote avy amin’ny Antoko Tim. Nisy ny fandehanana teny anivon’ny Ceni foibe mba hahazoana fanazavana fanampiny mahakasika izany, saingy tsy mbola voaray izy ireo hatramin’izao, araka ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny famaritana mazava ny daty manamarika ny fiantombohan’ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana mandrafitra ny Vaomiera nasionaly mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH) amin’ny fomba ofisialy. Tapaka fa ny 16 jolay 2021 izay andro nanaovan’ireo mpikambana fianianana manoloana ny fitsarana tampony no horaisina.