Ranomaso sisa ny an’ny renim-pianakaviana iray very manga iray sobika teny amin’ny tsenan’Anosibe, omaly. Mipetraka eny Andavamamba ity renim-pianakaviana ity fa tonga maka entana toy ny fanaony eny an-tsenan’Anosibe. Mpivarotra legioma sy voankazo izy. Efa azo daholo ny entana tamin’io fotoana io. Nisy tovolahy iray nilaza fa mpibata entana ka niresaka taminy fa afaka mitondra ny entana raha mifanaraka. Tsy nisalasala izy fa natoky azy. Izy rahateo nilaza fa mpibata entana eo an-tsenan’Anosibe ny asany. Nasain’ilay renim-pianakaviana nentiny ny manga iray sobika ka aterina eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be mandeha any Andavamamba. Nialoha lalana azy ity renim-pianakaviana raha nanara-dia avy aoriana kosa ilay tovolahy niaraka tamin’ny entana. Nony tonga teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, nandrasany fa tsy hita izay nanjavonan’ilay tovolahy nitondra ny entany. Nihevitra izy fa hoe diso lalana saingy nanjavona tanteraka niaraka tamin’ny manga iray sobika. Niverina nitady azy manodidina ny toerana nividianany entana tao an-tsena izy fa tsy hita intsony io jiolahy io. Nigogogogo nitomany izy taorian’izay satria tsy nipoitra intsony ilay tovolahy. Nilaza io renim-pianakaviana io fa misy olona efa mpitondra ny entany isaky ny miantsena saingy tsy hitany io mpibata entana io. Maromaro ireo mpiantsena mitaraina fa amin’ireo mpibata entana sasany no mivadika manao asan-jiolahy.
J.C