Vita izay ny fety ! Fotoanan’ny asa avy hatrany isika. Na eny anivon’ny tokantrano na amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy mandroso isika, na inona na inona sakana. Tsy misy afaka ny hihalangalana satria adidin’ny olom-pirenena tsirairay no miahy ny ankohonany sy mitondra ny anjara birikiny ho an’ity tanindrazana iaraha-manana ity. Ho hazakazaka arahin-tosika rahateo ny teo-draharaha manomboka hatreto. Na mbola tsy maneno aza ny kiririoka amin’ny fiatombohan’ny kilalao politika. Efa anatin’ny fanafanan-tena ny mpilalao rehetra sy ny mpanara-dia azy tsirairay avy.
Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana io, efa iaraha-mahita fa tsy hanaiky lembenana. Efa mahay maka lesona tamin’ny olona nodimbiasana teo aloha. Aiza kosa no hisy tompom-pahefana tsy mahatafaverim-bola izany akory!? Na izany aza, mila manana fijery hafa manomboka izao. Efa iaraha-mahalala fa somary matroka ny fifandraisan’ny mpitondra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Matetika no tratran’ny fanamarihana avy amin’ny mpamatsy vola ny fomba fitondrana ny firenena. Tsy gaga isika, raha nisy ireny fahataran’ny fandoavana karama ireny. Nialohavan’ny fikasana hametra-pialana nataon’ny minisitra sy tale jeneraly maromaro tamin’ny volana desambra ireny.
Mazava ho azy, tsy maintsy manamafy ny fahamarinan-toerany ato anatiny ny fanjakana mijoro. Raha mbola mihevitra ny ho lany ny Filoham-pirenena, ankehitriny. Raha mbola manantena ny handresy ny ekipan-dry TGV sy ny vovonana mpiara-dia aminy dia mazava fa tsy maintsy maka faka amin’ny vahoaka malagasy. Tsy vanim-potoana iaraha-miasa amin’ireo mpivarotra saka beloha sy ny “eny tompoko” intsony izao. Mila mametraka hery politika tena matanjaka fa tsy sarintsarin’olona izay milaza ho matanjaka rehetra ity. Ohatra mby ao an-tsaina izao, nankaiza marina ary izao ilay hoe parlemantan’ny tanora? Ankehitriny, zary menatra ireo tanora lany tamin’izany raha antsoina hoe ramatoakely na ingahy depiote zandriny. Niara-rava tamin’ ny olona nanantanteraka azy ilay parlemanta, izy tsy nisy lalana mazava akory mamaritra ny fananganana azy. Tsy mahagaga moa raha maty momoka. Rehefa nohadihadiana, tetikasan’olona nalaina tahaka fotsiny ireny, nanambakana ny mpanendry teny an-dapa. Amin’izao ny sarin’ny fitondrana amin’ny tanora no maloto amin’ireny fanaotaovana fahatany ireny.
Santiony io, fa maro tamin’ny olona nomena fahefana sy notendrena no mpisandoka sy tsy misy traikefa akory. Tsy mahagaga raha misy ny sedra sy fitsapana maro lalovan’ny fitondrana. Handrasana indray izay fanovana ho avy, satria efa mahoraka ny ho fanovana governemanta. Tsy sanatria mbola ho tafiditry ny mpivarotra saka be loha indray!
r.r