Voafandriky ny fokonolona : dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka

Nahitam-bokany ny ezaka momba ny fanentanana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana tao amin’ny kaominina Andrea sy ny manodidina, distrikan’i Maintirano, ny sabotsy teo. Nampahafantarina ny fokonolona fa karohina fatratra ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Limbisoa na i Limby, malaza ratsy amina fanafihana mitam-piadiana, halatra omby, vono olona ao amin’io kaominina io. Ny sabotsy maraina, handeha ho any Andrea i Limby no tratran’ny vela-pandrik’ireo fokonolona teo amin’ny toerana antsoina hoe Betsovy. Raikitra teo ny fifandonana ka matin’ny fitsaram-bahoaka i Limby. Tsy nanaiky lembenana izy fa nanohitra ireo fokonolona marobe. Nentin-katezerana taminy rahateo ny olona ka tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy. Ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Andrea no miandraikitra ny fanadihadiana ity raharaha ity. Nomarihin’ny zandary fa mbola karohina koa ny dahalo roa lahy namany antsoina hoe i Tsisalama sy i Bezoma noho ny raharaha fanafihana mitam-piadiana.

J.C

Partager sur: