Fifidianana ben’ny Tanàna : misongadina ny antoko lehibe

Hifarana anio ny fampielezan-kevitra mahakasika ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Nisafidy ny nanao faradoboka, omaly, ny ankamaroany. Misongadina ny antoko lehibe, toy ny Irmar.

Namaramparana ny fampielezan-keviny avokoa, omaly, ny kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina manerana an’i Mada­gasikara. Ho an’ny eto Anta­na­na­rivo Renivohitra, nisy ny diabe namakivaky tanàna na­taon’ny kandidà isanisany. Niavaka ny antoko lehibe. Ho an’ny kandidà Harilala Ramanantsoa, vavitokana eto an-dRenivohitra, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanaovana izany. Nanotrona azy ny mpanara-dia sy mpanohana. Tonga marobe ny olom-boafidy sy olom-boatendry, ary lehiben’antoko, miray vondrona aminy. Hipoka tanteraka ny toerana. Sady nihaino kabary no nihanoka fialamboly ny vahoaka mpanara-dia ny kandidà laharana fahafito.

Nanome toky
Nilokaloka tamin’ny mpo­nin’Antananarivo ny kandidàn’Irmar fa hitondra aim-baovao sy fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara. “Vonona aho hitondra ny traikefako sy ny vinako miaraka amin’ny herimpo sy ny finoana satria antsika rehetra Antana­narivo”, hoy ny kandidà Harilala Ramanantsoa, nandritra ny lahateniny. Tsy hadinony ny nisaotra ny mpanohana hatrizay. Nanentana ny olom-pirenena tsirairay hanefa ny adidiny izy. Mba ho maro ireo hifidy sy hanatanteraka ny adidy manandrify azy mandritra ny andron’ny fifidianana. “Tsy ny ho tombontsoako manokana no ilatsahako ho ben’ny Tanàna. Ny soa ho an’ny mponin’Antananarivo no antony”, hoy ny Kandidà Harilala Ramanantsoa.
Hifantoka amin’ireto teboka manaraka ireto ny fanovana entiny: fanamafisana ny fitantanana mangarahara sy mahomby, fampiharana ny tamberin’andraikitra amin’ny alalan’ny rafitra mazava sy ara-drariny, fitsinjovana ny isam-batan’olona sy ny isam-pianakaviana mipetraka sy mivezivezy eto Antananarivo.
Hijery manokana ny andavanandron’ny mponin’Iarivo izy. Voakasik’izany ny tsena, ny fifamoivoizana, ny fahadiovana sy fanadiovana.

Lin

Partager sur: