Oniversite Antsiranana : nanao velakevitra momba ny PGE ny Praiminisitra

Ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) mifandray amin’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra avaratra. Izay no lohahevitra nifantohan’ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho an’ny mpi­anatry ny Oniversite, Antsira­nana, ny faran’ny herinandro teo. Saika voaresaka sy nifanakalozana tamin’izany avokoa ireo sehatra fampandrosoana ara-toekarana any an-toerana. Eo, ohatra, ny famokarana lavanila, Cacao, jirofo, dipoavatra, fary, vary… Toy izany ny amin’ny fanjonoana trondro, toy ny lamatra, ny fanamboaran-tsambo… Nohalalinina koa ny momba ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana, ny fanofanana amin’ny asa, ny fahasalamana, ny fiahiana sosialy, ny fampivoarana ny fihariana eny ambanivohitra, ny fizahantany, ny fananganana fo­todrafitrasa goavana…Ni­fampiresahana manokana ny tontolon’ny oniversiten’Antsi­ra­nana. Toy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny anivon’ity anjerimanontolo ity izany, ny fitantanana ny ora fiasana fanampiny, ny tokony hanatevenana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny sehatra tsy miankina, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra hisian’ny fangaraharana bebe kokoa amin’ny fitantanana vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny ora fanampiny iasan’ny mpampianatra.
Nandray anjara tamin’ny adihevitra ireo mpitantana eo anivon’ny Oniversite, notarihin’ny filoha lefitra, ny mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Tamin’ izany koa no nihainoan’ny Praiminisitra ny hetaheta rehetra hoenti-manatsara ny kalitaon’ny fampianarana, ni­tondrany soso-kevitra ary vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka.

*
R. Nd.

Partager sur: