Voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana misesy, niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy.
Niakatra fampanoavana omaly, nohazonina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy voatondro ho nanolana ny zanak’ anabaviny, tao amin’ny kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Zazavavy 11 taona naolan’ny anadahin-dreniny imbalo nisesy. Nanamparan’io lehilahy io ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny. Tsy sahy nitoroka, noho ny fandrahonana nihatra taminy anefa io lasibatra io. Niezaka nanafina ny nanjo azy izy. Naharaka ny zava-nisy ny renin’ny zaza, izay anabavin’ ilay nahavanon-doza. Tsy nanaiky io famotehana ny zanany vavy io ilay renim-pianakaviana. Nitady hevitra hanatrarana izay tena nahavanon-doza.
Norahonana
Norahonan’ilay anadahiny tsy hilaza amin’iza na iza ary ho vonoina ho faty ny renin’io zaza lasibatra io. Nanohina ny fon’ilay ramatoa io fampitahorana azy io ka nitoroka teny anivon’ny zandary izy. Tsy vitan’izay, efa nanolan’olona hafa miisa roa io lehilahy io, araka ny loharanom-baovao. Tsy sahy nitoroka koa anefa ny lasibatra tamin’izany fotoana ka nalamin’izy ireo tamin’ny raharaham-pihavanana. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatoloana. Voamarin’ny mpitsabo rahateo fa niharan’ ny fanolanana tokoa ilay zaza 11 taona izay efa manaraka fitsaboana. Voasambotra ny nahavanon-doza. Nentina natao famotorana, natolotra ny fitsarana ny raharaha.
Tsiferana R.