Tafasitrika tao ambany kamiao, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao Antsirabe, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy sasany.
Namoy ny ainy teo no ho eo, lehilahy iray voahitsaky ny fiara tao Vatofotsy, kaominina Antsirabe, omaly. Nitondra bisikileta io raim-pianakaviana io. “Avy any atsimo nikasa hianavaratra io mpitondra bisikileta
io. Nifanoha-dalana azy ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny kaomisaria ao an-toerana. Tampoka, voafaoka tampoka ilay mpitondra bisikileta. Nianjera tamin’ny tany, tafatsofoka tao ambanin’ny kodiaran’ilay kamiaobe izy. Notetezin’ny kodiarana ny lohany. Fisaka tanteraka ilay niharan-doza. Nipitika teo amin’ny arabe ny kodiaran-droa nentiny. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny fifamoivoizana tao an-toerana, ny mpitandro filaminana. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny CHRR Vakinankaratra ilay namoy ny ainy. Nohazonina atao famotorana ny mpamilin’ilay kamiao.
Am-polony naratra
Ankaotra io, nifampitadiavana ny mpamily sy ny mpanampy azy, izay tompon’atoka tamin’ny fivadihana taxi-be zotra E, teny By-pass, afakomaly. Vao mangiran-dratsy, nanampatra ny hafainganam-pandeha sy nanararaotra ny lalana malalaka ny mpamilin’io fiara fitateram-bahoaka io. Nivadika tampoka ny fiara. Mpandeha am-polony naratra ary mpandeha an-tongotra iray voa mafy teo amin’ny tongony. Nandositra ny mpamily sy ny mpanampy azy taorian’ny loza. Manao ny fanadihadiana ny polisy. Tsy nisy aina nafoy nandritra ity loza teny By-pass ity.
Tsiferana R.




