Fifidianana ben’ny Tanàna : Mbola mifandanja ny Irmar sy ny Tim

Porofoin’ny vovonana Irmar sy ny Tim fa mbola azy ireo aloha ny tanànan’Antananarivo. Mifandanja ny vaton-dRavalomanana Tojo sy Ramanantsoa Harilala. Na mitarika vonjimaika aza ity farany.

Tontosa omaly, ny fanda­tsaham-bato tao anatin’ ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolo­tsaina manerana an’i Mada­gasikara. Tsapa fa niakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Raha ho an’ny fironan’ny vo­katra indray, manjaka ny kandidà tohanan’ny fitondrana sy ny avy amin’ny mpanohitra amin’ny ankapobeny. Eo am-piandrasana ny vokatra, niantso ny vahoaka ho tony sy handray ny andraikitra manandrify azy tsirairay ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.
Manodidina ny 30% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, araka ny tarehimarika vonjimaika. « Ambany ny taham-pahavitrihana ary ambony kosa ny tahan’ny tsy fahatomombanana sy ny fitarainana », hoy ny avy amin’ny Safidy, izay anisan’ireo sampana mpanara-maso ny fifidianana. Raha ny hita teny amin’ny birao fandatsaham-bato, ireo zokiolona no tena mavitrika mandeha mifidy.
Tany amin’ny faritra Androy sy Anosy no nahitana taham-pahavitrihana ambony indrindra. Tao amin’ny faritra Diana sy Boeny kosa no nahitana taha ambany indrindra. Anisan’ ny nahitana fitarainana sy tsy fahatomombanana kosa ny teto amin’ny faritra Anala­manga. Tsy fisokafan’ny biraom-pifidianana tamin’ny ora voatondro, fisian’ny biletà efa voahisy marika mialoha, olona tsy tokony hifidy kanefa navela hifidy. Ireo amin’ny ankapo­beny ny tsy fahatomombanana niseho omaly.
Mbola hita taratra ny tan­jaky ny vovonana mpanohana fitondrana. Toraka izany koa ny antoko Tim. Mitovitovy avokoa ny tany amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ny kandidàn’izy ireo no mitana ny laharana voalohany sy faharoa.

Lin

Partager sur: