Tamin’ny ankapobeny, nizotra araka izay niheverana azy ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, omaly, araka ny tatitry ny teo anivon’ ny Ceni, Alarobia. Na izany aza, nampiahiahy be ny sasany ihany ny amin’ny fahazoana didy hitsivolana (ordonnance) hisoratana amin’ny lisi-pifidianana. Nilaza, ohatra, ny kandidà mpanolotsaina, Antananarivo Renivohitra, Ravololomanana Lalatiana, teny Analakely, afakomaly, fa nisy olona folo teny Anjanahary II O, izay delegen-dry zareo manana kara-pifidianana ara-dalàna nefa lazaina fa nangataka ordonnance ary nahazo. Niteny ny sefo fokontany fa tsy nisy nangataka fanamarinam-ponenana. Nahoana no nahazo ordonnance nefa tsy nangataka izany?
Nanangana Andrimasompokonolona miaraka amin’ny vondron’ny kandidà, Antananarivo Renivohitra, ny kandidà dimy amin’ny fito. Hanara-maso ny tsy fanarahan-dalàna momba ny ordonnance sy ny lisi-pifidianana. Matahotra ny fanaovana lisitra amin’ny alalan’ny ordonnance, izy ireo.
Mbola raharaha ordonnance? Nisy olona maro teny amin’ny kaominina Ambohidratrimo nentina nifidy, omaly maraina, araka ny nambaran’ ny kandidà iray teny an-toerana, omaly. Efa nisy nahavita nifidy izy ireo, nefa tsy mponina eny Ambohidratrimo. Voalaza fa avy eny Ivandry izy ireo, ary kandidà tsy miankina manana trano fonenana eny no nitaona azy ireo. Nanisy olana ny fifidianan’ny olona 59 amin’ireo nahazo ordonnance tamin’ireo 70 nangataka izany ny kandidà iray teny amin’ny fokontany Antohomadinika, Antananarivo Renivohitra. Nisy tsy nanana karapanondro izy ireo, raha nangatahan’ny teo anivon’ny fokontany ordonnance.
R. Nd.




