“Mila mifidy, fa raha tsy mifidy isika dia manjary ny hafa no mametraka izay tiany hapetraka eo”, hoy ny PDS, Antananarivo Renivohitra, i Alexandre Georget, teny Ambohitsoa, omaly. Nefa mitondra amin’ny dimy taona manaraka ny safidy. Ny fifidianana no ahazoana mametraka izay ho eo amin’ny toeran’ny ben’ny Tanàna. Ny feon’ny fieritreretana no tokony hitondra ny safidy.
Manan-jo hifidy ny olom-pirenena rehetra, araka ny nambaran’ny Praminisitra Ntsay Christian avy nifidy teny Ankorondrano, omaly. Ho fanajana izany zo izany ny anton’ny fanomezana “ordonnance”. Efa tsy tokony ho nanehoan-kevitra intsony, afakomaly, mialoha ny fandatsaham-bato. Nefa mbola nisy nanao fanehoan-kevitra. Nanentana ny vahoaka malagasy hifidy izy.
Nolanian’ireo solombavambahoaka teny amin’ ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna laharana faha-024/2024 tamin’ny 19 novambra 2024, manome alalana ny fanaovan-tsonia ny findramam-bola mifandraika amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa ” Aménagement de corridor et de facilitation du commerce et des investissements entre Madagascar et les pays de la Comesa et de l’Océan Indien – phase II “.
« Tsy afaka ny hoe hangina manoloana ny
ahiahy aterak’ireo ordonnance feno hadisoana sy tsy mitombina be dia be ny kandidà », hoy ny kandidà Tahina Razafinjoelina namaly ny Praiminisitra Ntsay Christian izay niampanga ireo kandidà nanao fanambarana afakomaly ho nanao fampielezan-kevitra ankolaka. Mbola tsy nilaza ny kandidà, Tahina Razafinjoelina, raha hanaiky na tsia izay mety ho voka-pifidianana eo.




