Fifidianana filohan’ny vaomieran’ny UA: Tsara toerana ny kandidà Randriamandrato Richard

“Manana kandidà manana tombony manokana i Mada­gasikara amin’izao fifidianana izao. Noho ny fivezivezeny matetika eto anivon’ny kaontinanta, ankatoavin’ireo filoham-panjakana ny fanolorana izany kandidà malagasy iza­ny”. Io ny tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny fanolorana teny Iavoloha, afakomaly, an-dRandriaman­dra­to Richard ho kandidà filohan’ ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Manana traikefany sy fahaiza-mifandray amin’ireo filoham-panjakana sy tomponandraikitra ambony aty Afrika izy. Tsara indrindra ny firotsahan-kofidiny. Nam­baran’ny filoha Rajoelina Andry fa efa minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola sy efa minisitry ny Raha­raham- bahiny izy. Eo koa ny asa ambony stratejika eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena teo anivon’ ny Comesa, Pnud, Banky iraisam-pirenena… Manampahai­zana amin’ny fitantanam-bola sy diplaomasia ary fifandraisana iraisam-pirenena izy. Manentana ny fanohanan’ireo firenena namana ny filoha. “Hatramin’izay tsy mbola ni­ady izany toerana izany i Madagasikara, fa izao mba afa-mitondra ny fomba fijery ara-toekarena sy sosialy, ny lafiny tontolo iainana, ny fampianarana, ny tanora… “, hoy ny kandidà Randriamandrato Richard. Fito ireo laharam-pahamehana aminy: voalohany ny toekarena hahazoan’ny olona misitraka ny tombontsoan’ny fitomboan’ny harinkarena aty Afrika.
Any amin’ny foiben’ny UA, Addis-Abeba, Etiopia, ny 15-16 febroary 2025, ny fifidianana amin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana faha-38 aty Afrika. Firenena 48 amin’ireo 54 mpikambana no handray anjara amin’ny latsa-bato. Manomboka izao, miroso amin’ny fandresen-dahatra ireo kandidà efatra atolotr’i Djibouti, i Kenya, i Maurice ary i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: