Ela nitoratorahana ny andiana mpanao fanafihana Cash point. Maty voatifitry ny polisy ny roa lahy, omaly hariva. Azo sambo-belona ny iray, tafaporitsaka kosa ny namany.
Nihorohoro indray ny mponina tao amin’ny fokontanin’Ampasimazava, boulevard Ratsimilaho, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisy. Tokony ho tamin’ny 1ora sy 30 mn tolakandro, nisy Tuctuc iray nijanona teo amoron-dalana. Nisy olona telo tao anatiny niaraka tamin’ny mpamily. Ny roa lahy amin’izy ireo miaraka amin’ny sakaosy mainty. Efa nanaraka azy ireo anefa ny polisy tamin’ny lalana rehetra manodidina an’ Ampasimazava. Vao nanatona azy efa-dahy anefa ireo polisy, tifitra avy hatrany no nasetrin’ireo olon-dratsy. Niantomboka teo, raikitra ny fifampitifirana. Nikoropaka avokoa ny olona teo amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Vokany, lavon’ny bala teo amin’ny arabe ireo roa lahy. Tafaporitsaka tao anaty fifanjevoana kosa ny jiolahy iray. Azo sambo-belona ny mpamilin’
ilay Tuctuc.
Mpanao fanafihana
Voalazan’ny angom-baovao voaray avy eny anivon’ny kaomisaria foibe fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ry zalahy ireto. Avy nanafika Cash point ry zalahy io omaly io saingy efa nanaraka azy ireo hatrany ny polisy. Maro ireo olona efa nihorohoro tamin’ireto jiolahy mpanao fanafihana ireto. Eo am-pikarohana ny naman’izy ireo ny polisy ao Toamasina satria efa fantapantatra ihany ny momba azy io, raha ny tatitra nampitain’ny polisy.
Sajo