Maevatanàna : Jiolahy mpanakan-dalana voasambotra

Voasambotry ny zandary tao Tsarahonenana, distrikan’i Maevatanana, ny alarobia alina teo, ireo jiolahy efatra tompon’antoka amin’ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4). Ny 11 desambra 2024 alina, taksiborosy nitandahatra niainga avy aty Antananarivo hihazo ny tapany avaratra iny no tratran’ny sakan-dalana sy toraka nataon’ireo jiolahy. Tao Ambavahadiala anelanelan’ny fokontany Antsapanana, kaominina ambanivohitr’i Tsararano sy ny fokontany Ambodimanga, distrikan’i Maevatanàna no nitranga ity fikasan-jiolahy hanao fanafihana ity. Nahazo fanairana momba ity fanafihana ity ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Antsapanana ka nidina haingana teny amin’ny lalam-pirenena nisy ireo jiolahy. Raikitra ny fifanenjehana, nanampy tosika ireo zandary koa ny fokonolona tao an-tanànan’i Tsarahonenana. Nahitam-bokany izany, satria tsy lasa lavitra ireo jiolahy dia tratra. Efa-dahy indray tratra, mbola tsy ampy taona ny telo amin’izy ireo. Monina ao Ambodimanga Betsiboka avokoa ry zalahy ireto raha ny filazany nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary. Efa mpanao fanafihana eny amin’iny RN4 iny ireto farany.

J.C

Partager sur: