Mitarika amin’ny salanisa 43,09% ny kandidà Harilala Ramanantsoa, raha ny fironam-bokatra navoakan’ny Ceni omaly hariva, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa kosa ny kandidà Tojo Ravalomanana, amin’ny salanisa 38,01%.
Hotanterahina anio ny lanonam-pamaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera roa tonta. Indroa isan-taona no hanatanterahana izany fivoriana izany, araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana. Ny tolakandro no hanatanterahana izany ho an’ny Antenimierandoholona raha ny tapany maraina kosa ho an’ny Antenimierampirenena.
Nanao antso avo amin’ny fiandrasana am-pitoniana ny valim-pifidianana ny mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Tsy hadinony ny nisaotra ny vahoaka malagasy nanatanteraka ny adidiny tamim-pahamendrehana.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny asany ny « Section de recensement des matériels de votes » (SRMV) amin’izao fotoana izao. Mamintina ny vokatra azo isaky ny biraom-pifidianana izay voarakitra ao anaty “process-verbal” ary mampita izany amin’ny Comité ad’hoc eny amin’ny Ceni sy ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no anjara asan’ity sampana ity, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.