Nisoloky ny mpampiasa azy : Olona roa nandroba 230 tapitrisa Ar

Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ny olona roa voampanga tamina raharaha fivadiham-pitokisana nandritra ny fitsarana ny raharaha ady heloka bevava tao Toamasina, omaly.

Ny antontan-taratasin’ady notsaraina voalohany tao amin’ny fitsarana ity niampangana an-dRavaoarihanta Antoinette ity, araka ny dosie laharana faha 96-Toa/24. Mpiasa tao amina tranombarotra iray mpivarotra ambongadiny momba ny lamba sy kiraro tonta ary kojakojana fiara avy any ivelany i Antoinette. Vola mitentina 230 tapitrisa Ar miampy fonosan’entana miisa 30 no lasany ny 21 novambra 2021, tao Toamasina. Marihina fa tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana azy ny voampanga raha nanatrika kosa ny tompon’entana sady mpangataka onitra amin’izao raharaha izao. Nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana no nahalalana fa niaiky ny hadisoany ilay mpiasa vavy ka nangataka tamin’ny tompon’entana hanao raharaham-pihavanana. Nilaza izy fa hanonitra vola 5 tapitrisa Ar isam-bolana. Tao anatin’ny efa-bolana ihany no voalaza fa nisy ity famerenam-bola ity ka tsy nitohy intsony taorian’ izay. Niseho anefa ny trangan-javatra hafahafa, satria nisy nanondraka asidra teny an-dalana ilay mpampiasa azy.

Onitra 250 tapitrisa Ar…
Nampiahiahy ity zava-niseho ity ka nitodika tany amin’io mpiasa vavy io ny ahiahin’ny mpanao fanadihadiana. Vokany, nilatsaka ny didy fanamelohana azy hanao asa an-terivozona dimy taona am-ponja miampy onitra 250 tapitrisa Ar. Nivoaka taorian’izay koa ny didy fampisamborana azy ka hampidirina am-ponja avy hatrany.
Antontan-taratasin’ady faharoa koa ny famoahana didy fampisamborana an-dRandriamihary Honoré, voampanga nanodinkodim-bola tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Amboditavolo, ny 9 aogositra 2023. Olona tena atokisan’i Willieme Ernestor, patiraonaomby izy. Nomeny vola 2 700 000Ar hividianana omby kanjo tsy nipoitra intsony. Nolazain’io tovolahy io fa nisy nandroba izy ka lasan’ireo malaso ny vola rehetra. Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ka haiditra am-ponja avy hatrany ihany koa sady nomelohina asa an-terivozona roa taona ity tovolahy nivadika tamin’ny mpampiasa azy ity.

Sajo

Partager sur: