Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, fiara mpitatira iray niala avy eto Antananarivo nikasa hianavatra lasibatra. Niharan’ny toraka teo anelanelan’ny fokontany Antsampanana, kaominina Tsararano, sy fokontany Ambodimanga, kaominina Maevatanàna, io taksiborosy io, ny alin’ny 11 desambra teo. Naharay fampahafantarana ny zandary miasa ao amin’ny kaominina Tsararano. Nidina ifotony nanara-maso sy nanao fikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana. Voasambotra tamin’izany ny lehilahy miisa efatra. 25 taona no zokiny indrindra ary tsy ampy taona avokoa ny telo. Tsy mponina avy lavitra, monina ao amin’ny fokontany Ambodimanga-Betsiboka ihany ireto tra-tehaka ireto. Nentina natao famotorana, niaiky heloka avokoa izy ireo. Natolotra fampanoavana taorian’izay ka notanana vonjimaika any am-ponja. Mitohy ny hazalambo ataon’ny zandary manoloana ireo jiolahy mitoraka fiara eny anivon’ny lalam-pirenena, indrindra fa ny mianavaratra.
Tsiferana R.