Hanatitra vidina akoho : Voaroba ny 20 tapitrisa Ar

Raim-pianakaviana iray no voaroba 20 tapitrisa Ar, omaly maraina, tany Toamasina. Teo am-pivoahana ny trano hanatitra io vola vidina akoho fakana nofo io izy no lasibatry ny jiolahy.

Efa niantsona teo ivelan’ny tranony ny fiara mpanatitra akoho fakana nofo. Vita ny fampidinana ny entana rehetra ka nivoaka hanome vola 20 tapitrisa Ar ilay raim-pianakaviana no voaambana basy. Nalain’ireo jiolahy an-keriny ny sakaosy nisy vola. Nahita ny zava-niseho koa ny mpiambina amina trano fivarotana mifanila amin’ity mpandraharaha akoho ity ka voaambana basy. Tsy nahasahy nikofoka izy roa lahy mpiambina ireto. Jiolahy telo tsy nisaron-tava no tompon’antoka tamin’ity fandrobana ity raha ny fanazavan’ny voatafika. Samy nandeha moto izy telo lahy raha nihazakazaka niditra ny lalam-pasika kosa ny iray. Tsy nisy basy nipoaka nandritra ity fanafihana ity. Voalazan’ireo olona nahita ny zava-niseho teny an-toerana kosa anefa, nitondra basy roa ry zalahy nandritra ity fanafihana ity.

Misy firaisana tsikombakomba
Niteraka resabe tao Toa­masina ity trangana fanafihan-jiolahy ity satria fihantsiana ny mpitandro filaminana mihitsy no azo isokajiana ny zava-misy ao an-toerana. Manao fangala-piery hatrany ny jiolahy sy ny mpitandro filaminana. Manao izay ho afany hatrany izy ireo amin’ny fitandroana ny filaminana sy fanenjehana ireo olon-dratsy saingy manao tohivakana hatrany izany. Ahina ho misy firaisana tsikombakomba ihany anefa ny trangan-javatra toy izao, indrindra ho an’ireo mpandraharaha mikirakira volabe. Tafiditra ao anatin’ireo faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana rahateo i Toamasina. Mikaikaika hatrany ny mponina, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao, amin’ny firongatry ny asan-jiolahy. Tsy mbola nisy tratra aloha hatreto ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Sajo

Partager sur: