Nitondra ny fomba fijeriny amin’ny fizotry ny raharaham-pirenena ny praiminisitra, Ntsay Christian. ”Misy fiovana lalina eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy izy.
“Fotoana toy izao no ahazoantsika mamerimberina hatrany fa misy fiovana lalina dia lalina eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’izao fotoana izao, eo ambany fitarihan’ny filohan’ ny Repoblika”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny lanonana famoahana ny andiana polisy nahavita fiofanana sy ny famindram-pibaikoina teny amin’ny Sekoly ambonin’ny polisim-pirenena, Ivato, afakomaly. Betsaka ny tsy mahatsapa an’izay fiovana izay. Amin’ny ankapobeny, apetraka amin’izany ny fanatsarana fitantanana ho andry iray lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Eo anilan’izay ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna. Firenena manao ihany koa ny ady amin’ ny kolikoly.
Mametraka vina ny filohan’ ny Repoblika hanakaiky kokoa ny vahoaka ny mpitandro filaminana, hiaro sy hanampy hatrany ny vahoaka. Izany no nanovana ny rafitry ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, nanomboka tamin’ny 2019.
“Nanomboka tamin’ny 2018, manaraka ny rafitra LMD ny fiofanana eny amin’ny Sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena, indrindra ho an’ny kaomiseran’ny polisy manokana”, hoy kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Rakotoarimanana Herilala. Mirary soa azy ireo izy hahavita be amin’ny asa: fiarovana sy fanampiana ny vahoaka, ho fitaratra hatrany eo anivon’ ny Polisim-pirenena. Nivoaka ny andiany misalotra ny anarana Manampy. 80 mianadahy nahavita fianarana nandritra ny roa taona: 30 nivoaka ho kaomisera izay andiany faha-25, ka fito amin’izy ireo no vehivavy; 50 ny polisy ofisie izay andiany faha-26 ka vehivavy ny folo. 25 taona no zandriny indrindra ary 53 taona no zokiny indrindra.
R. Nd.