Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Ny vokatra vonjimaikan’ny Ceni no azo raisina”

“Mandeha amin’ny fironan’ ny voka-pifidinana isika amin’ izao. Ny fironana ekena amin’ izao dia izay avoakan’ny Ceni ihany. Ny ankoatra an’izay, fanakorontanana sain’ny olona sy paipaikady politika tsy hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny dikan’izay: ny vokatra vonjimaika avoakan’ny Ceni ihany no azo raisina”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Vola­miranty Donna, niatrika mpanao gazety teny Nanisana, afakomaly, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Nitodika tany amin’ ny mpikirakira serasera mba handray ny fironan’ny voka-pifidianana avy amin’ny Ceni izy. Mba hamoaka vaovao marina sy voamarina, indrindra vaovao voalanjalanja. Tsapa eny anivon’ny tambajotran-tserasera sy haino aman-jery sasany fa misy mivoy fihantsiana sy fandranitana, indrindra miantso ny olona hikorontana. Miantso ny rehetra hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana izy. Miandry koa ny vokatra ofisialy havoakan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana. Manaraka ny tetiandro voafaritry ny lalàna izany rehetra izany.
Mampitandrina ny Sekre­tera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoa Fetra, misy onjampeo eto Antananarivo sy any amin’ny faritra mivoy fihantsiana sy fanelezana vaovao diso na iniana disoina. Misy koa ny mpisehatra amin’ ny tambajotran-tserasera manely vaovao diso sy iniana disoina, manao fihantsiana koa. Mampahatsiahy izy fa fehezin’ny lalàna ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny. Fandikan-dalàna ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny fihantsiana. Misy ny sazy mifanandrify amin’izay.

R. Nd.

Partager sur: