Manomboka anio ny fialantsasatry ny mpitsara, ary hifarana amin’ny 14 janoary 2025. Na izany aza, misy hatrany ny fiandrasan-draharaha sy ny fotoam-pitsarana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpirakidraharaha eny amin’ny fitsarana, Herinatrehina Ella Inham, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Voafetra izay na ny fitsarana ady heloka, na ny fangatahana fahafahana vonjimaika…
Mandeha ny asan’ny Ceni any amin’ny distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, na eo aza ny savorovoro tamin’ny androm-pifidianana. Nidina tany an-toerana ny iraky ny Ceni sy ny OMC ny faramparan’ny herinandro teo. Tokony hotanterahina ny lalàna mifehy ny fifidianana ary manao fitarainana ry zareo, araka ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana, Ravalitera Jacques Michaël.
Miampanga ny delegem-panjakana ho nanohana ankolaka ny kandidà tsy miankina izay mitarika amin’ny isam-bato ireo kandidà ambiny ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahambo. Nandritra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna teo izany. Mitaky ny hanafoanana ny voka-pifidianana izy ireo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.