Safidy: “Ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy”

“Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso. Eny, na niakatra aza izany ampitahaina amin’ny fifidianana kaominaly 2019”.

Io ny fanambaran’ ny Sam­pana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), notarihin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, momba ny fizotran’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo. Nahatratra 39,3% ny taham-pahavitrihana, raha 33,3% izany tamin’ny 2019. Ny taham-pahavitrihana ambony indrindra ary nihoatra ny 45% dia tany amin’ny faritra Androy (54,8%), Fitovinany (47,8%), Atsimo Andrefana (47,4%). Ambany ary latsaky ny 30% ny tany amin’ny faritra Ihorombe (27%), Diana (28,7%).

Mametraka ahiahy momba ny fifidianana kaominaly sy monisipaly 2024 ny Safidy, araka ny fanambarany. Tsy mazava, ohatra, ny fanendrena mpikambana eo anivon’ny rantsamangaikan’ny Ceni, ka mampiahiahy ny amin’ny fa­haleovantena sy ny tsy fiandaniana. Manamafy izany ny fanoloana lehibem-pokontany miverimberina rehefa ankatoky ny fifidianana. Nampisavo­rovoro koa ny fanavaozana miavaka ny lisi-pifidianana tamin’ny alalan’ny fakana ordonansa. Miisa 184 ireo fitarainana voarain’ny Safidy ha­tramin’ny nanombohan’ny fam­pielezan-kevitra. Mive­rimbe­rina hatrany ny amin’ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana anjara amin’ny fampielezan-kevitra, ny fanampiana lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny ordonansa, ny fahaverezan-jon’ny mpifidy tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana, ny fanentsenana vato mialoha tao anaty vata fandatsaham-bato, ny tsy fanaovana fitantana an-tsoratra eo no ho eo.

R. Nd.

Partager sur: