Voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny fivarotana rongony tao Talata Volonondry, ny 13 desambra teo. Naharay fitarainana avy tamina olon-tsotra ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana. Voalaza fa misy mpivarotra rongony ary hiangonan’ireo mpidoroka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny tanànan’i Mahavariana. Natao ny fisavana, voasambotra ny mpivady tompon-trano izay sady mpivarotra io zava-mahadomelina io. Tra-tehaka koa ny mpanjifa miisa dimy lahy. Nosamborina ary nentina natao famotorana izy ireo. Nahatrarana fonosana rongony efa voatsinjara tao amin’io mpivarotra io. Nogiazana ireo entana ireo. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana fa mpamerin-keloka ary efa namita sazy indroa teny am-ponja ny iray tamin’ireo voasambotra. Nentina niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonjimaika any Antanimora ilay mpamerin-keloka. Marihina, mitohy ny ady ataon’ny mpitandro filaminana manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina indrindra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Tanora avokoa ny lasibatry ny fidorohana io karazan-java-mahadomelina io.
Tsiferana R.