Antananarivo Renivohitra: Mitarika Ramanantsoa Harilala

« Mitarika amina salanisa 42,3% ny kandidà Rama­nantsoa Harilala eto Anta­nanarivo. Nanaparitaka ny vaton’ny TIM ny firotsahan-dRazafinjoelina Tahiana », hoy ny governoran’Analaman­ga, Rasoamaromaka Hery. Ity farany izay nitondra fanazavana mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao teto Ma­dagasikara, indrindra ny fironam-bokatra eto Antana­narivo Nambarany, teny Ambohi­dahy, fa efa mitarika amin’ny isam-bato lavitra be ny kandidàn’ny Irmar. Efa nahazo lesona tamin’ny fifidianana solombavambahoaka izay nampisy lesoka betsaka ny fivakivakisana ny antoko ka nanatsara ny paikady nentina nampandaniana ny kandidà laharana faha-7. Mafy ny fiarahana sy fifanohanan’ireo rehetra miaraka amin’ny filoha Rajoelina Andry ka nampiezinezina ny elanelam-bato izay misy ha­trany amin’ny 21 000 mahery.
Nambarany fa raha ny mahakasika ny ordonnance dia tsy ny TGV ihany no ao anatin’izany fa ireo rehetra tsy te ho very zo. Teo ny sefo fokontany sy ny lehiben’ny distrika nitsinjara izany ka tsy heverina ho ny ordonnance no nampandany ny kandidà Ramanantsoa Harilala.
“Nampiparitaka ny vaton’ny Tim kosa ny firotsahan’i Tahina Razafinjoelina ka na­hararaka tanteraka ny vaton-dRavalomanana Tojo ny fizarazarana”, hoy hatrany ny governoran’ny faritra Anala­manga. “Nanampy trotraka ny disadisa anatiny eo amin’ny samy Tim satria betsaka no tsy mankasitraka ny nametrahana an’i Siteny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Betsaka ihany koa ny Tim tsy nankasitraka ny fanjakana ifandovana, ny rainy, ny vadiny ary izao ny zanany indray”, hoy izy namarana ny resaka.

Tatiana A

Partager sur: