Vondron’ny kandidà any Mahambo : Mitaky ny hanafoanana ny voka-pifidianana

Efa raikitra ny fitakiana sy ny tsy fahafaliana manoloana ny voka-pifidianana. Sambany tao amin’ny kaominina Mahambo no mba naneho ny firaisankinany ireo kandidà avy amin’ny firehana samihafa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Anisan’ny niombon-kevitra sy niara-dia amin’ny kandidà tsy miankina ny kandidà laharana faharoa, avy amin’ny antokon’ny fitondrana Irmar. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, ka fantatra tamin’izany fa kandidà miisa efatra amin’ ireo dimy nifaninana tao an-toerana ireto naneho ny tsy fahafaliany manoloana iny fifidianana iny. Ampangain’ireto vondron’ny kandidà ireto ho nahazo fanohanana sy fanampiana ankolaka ary fanomezan-tanana manokana avy amin’ny delegem-panjakana ny kandidà tsy miankina laharana fahadimy ao amin’ny biletà tokana. Nohitsin’izy ireo fa nisehoana tranga hafahafa sy mampiahiahy ireo fokontany rehetra, afa-tsy ny teo Mahambo renivohitra, tamin’iny fifidianana iny, araka ny fanambarana hatrany. Tsikaritra tamin’izany fa nihoatra amin’ny isan’ny mpifidy ny vato. Biraom-pifidianana ahitana 20 %-n’ny mpifidy hatrizay nivadika ho 120%, araka ny fanambarana. “Koa takinay ny hanafoanana tanteraka ny voka-pifidianana ho an’ny kaominina ambanivohitra Mahambo”, hoy hatrany izy ireo.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: