Raikitra ny fifandonana teo amin’ny Tafika sy ny dahalo nandritra ny fanarahan-dia omby halatra, tao amin’ny amin’ny kizon’Andavakomby, afakomaly. Nahitana trangana tsy fandriampahalemana tao amin’ny fokontany Betsako, kaominina ambanivohitr’i Tsingimavo, distrikan’i Morafenobe, ny 9 desambra 2024 teo. Andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no namoaka antsokosoko ny omby miisa 65 tao amina vala iray. Nampandre haingana ny lehiben’ny miaramila ao amin’ny Base opérationnelle avancée ao Morafenobe ny tompon’omby raha vantany vao nahatsikaritra ireo dahalo. Nanao fanarahan-dia izy ireo niaraka tamin’ny miaramila mpanao fisafoana tao Tsingimavo, nampian’ny fokonolona ao an-toerana. Nahitam-bokany izany satria nifanehatra tao Andavakomby, fokontany Andriambe, izy ireo. Vokany, navotsotr’ireo dahalo ny omby ka lasa nitsoaka izy ireo. Nisy tamin’ireo dahalo no voatifitra saingy afa-nitsoaka.
J.C