Nisandoka ho zandary : Tratra ireo jiolahy nitifitra olona teo amin’ny lohany

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy enina voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana narahina vonoan’olona tao Analalava. Ny alin’ny 31 jolay 2024, nisy jiolahy roa nanao fanamiana zandary nitondra basy vita tanana iray tonga tao amin’ny fokontany Andavaravina, kaominina sy ditrikan’Analalava. Rehefa tonga tao ireo olona ireo, nanatona polisim-bohitra an­an­kiray tao an-toerana mba hitarika azy ireo ho any an-tranon’ny raim-pianakaviana iray. Nisambotra ny raim-pianakaviana iray ry zalahy rehefa tonga tao an-trano. Tsy vitan’izay fa mbola nofatoran’izy ireo ihany koa io olona io. Niatrika izany ny vinantovaviny tamin’io fotoana io. Nentin’ ireo jiolahy io raim-pianakaviana io. Niezaka nanontany ny anton’izao fisamborana izao ilay vinantony saingy niteny ireo roa lahy hoe « mandehana mankany amin’ny borigadin’ny zandary Analalava raha mila fanazavana ». Vao niala kely ny tanàna anefa, notifirin’ireo nitondra azy ilay raim-pianakaviana. Naparitak’ireo jiolahy tamin’ny bala ny lohany. Nahatadidy ny tarehin’ireo jiolahy ireo ny vinantony. Nia­hiahy ny fianakaviany satria nisy nahita ny nidiran’ireo olon-dratsy tao an-tanàna. Niainga avy amin’ny fisamborana ny jiolahy iray no nahafahana nisambotra ireo namany. Nentina nihazo ny bi­raon’ny zandary izy. Hita tao anaty kitapony nandritra ny fisavana ny fonosan-drongony marobe.

J.C

Partager sur: