Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Jica: hampiroboroboana ny fampivoarana ireo tanàn-dehibe

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy, ireo Japoney manampahaizana eo anivon’ny Jica.

Misahana ny fampivoarana ny tanàn-dehibe ireto manampahaizana ireto ary hiara-kiasa amin’ny MFFT. Anisan’ny iraka hotanterahin’izy ireo ny fanohanana amin’ny fandrafetana ny drafitra ho an’ny tanàn-dehibe, ka anisan’izany ny drafitra eo amin’ny samy kaominina, indrindra ny fanitarana sy ny fanajariana an’Antana­narivo sy ny any Toamasina.
Tahaka izany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny minisitera isan-tsokajiny amin’ilay tetikasa fampandrosoana ny lafiny ara-panajariana sy ara-toekarena ho an’ny tanànan’Antananarivo sy Toamasina (Tatom). Vonona ho amin’ny fanohanana izany ho fampivoarana maharitra ny tanàn-dehibe ireto teknisianin’ny Jica ireto.
Ankoatra izany, natolotra omaly, tetsy Anosy, koa ireo boky mirakitra ny antontan-kevitra rehetra momba ny torolalana hanamorana ny fandraisam-pitantanana voalohany ho an’ireo ben’ny Tanàna vaovao sy ny mpanolotsaina eny anivon’ny kaominina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny MFFT sy ry zareo Alemà, amin’ny alalan’ny tetikasa GIZ/Prodecid, iarahana amin’ny Ivontoeram-pirenena ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL) izany.

Ny andraikitry ny ben’ny Tanàna…

Hisahana ny fampielezana izany eny anivon’ny kaominina io rafitra eo anivon’ny minisitera io. Nambaran’ny tomponandraikitra fa fitaovana nampifanarahana amin’ny filàn’ny olom-boafidy amin’ny fanatanterahana ny asa andavanandrony izany boky izany. “Natao ho mora ampiasaina avokoa mba hahitam-bokany, hanamafisana ny fahaiza-manao sy hanatrarana ny fampandrosoana maharitra eny anivon’ny kaominina”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa ahitana karazany telo izany boky izany ka ao ny momba ny famindram-pitantanana, ny andraikitry ny ben’ny Tanàna ary ny asa sahanin’ny mponolotsaina. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona eny ifotony ny nahazoana izany.

Synèse R.

Partager sur: