Fiarovana ny sisintany : Atrikasa momba ny fitaovana miasa amin’ny sehatra sivily

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hotely Radisson Blu Ambodivona, ny alatsinainy 16 desambra 2024 teo, ny atrikasa momba ny fametrahana lisitra ireo akora na fitaovana azo ampiasaina amin’ny sehatra sivily sy miaramila.

Anisan’ny mpikambana ao amin’ny Firenena mikambana i Madaga­sikara izay namoaka fehin-kevitra 1 540 momba ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Mangataka ny firenena rehetra mba handray fepetra hiadiana amin’ny fiparitahan’ny fitaovana na akora simika, biolojika na nokleary mety hahafahana manamboatra izany fitaovam-piadiana mahery vaika izany. Mba ho fanatanterahana izany fepetra iraisam-pirenena, nanao atrikasa i Madagasikara ny volana aogositra 2024 momba ny fahafantarana amin’ny lafiny teorika ireo akora ireo. Mba hahafahan’ny Malagasy teknisianina mahafantatra misimisy kokoa amin’ny lafiny pratika azy ireo, natao izao atrikasa izao mba hahitana mivantana ny santionan’ireo akora ireo.

Ny sehatra ara-miaramila ihany koa

Eo koa ny mba hahafahana mametaka famantarana azy ireo araka ny karazany avy ary mifanaraka amin’ny famantarana iraisam-pirenena. Atao anaty lisitra nasionaly izy ireo mba ho fantatry ny besinimaro ka hisian’ny fiaraha-mientana sady hahafahan’ny teknisianina sy ny mpanafatra entana miasa am-pilaminana. Nanazava ny dingana vita sy ny mbola hotontosaina ny talen’ny Ozinina miaramila, ny Jly Randriamiaramanana Emma, tomponandraikitra voalohany amin’ity tetikasa ity eto Madagasikara. Nangataka ny fanohanan’ireo manam-pahefana malagasy sy iraisam-pirenena izy ary nisaotra tamin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay. Nilaza ny masoivohon’ny Vondrona eoropeana, Roland Kobia, fa tsy ny sehatra sivily ihany no ifantohan’ny asan’izy ireo fa ny sehatra ara-miaramila ihany koa. Nambarany fa tetikasa roa ao anatin’ny Von­drona eoropeana no mahasahana ity sehatra ity, dia ny « Expertise France » sy ny « Office fédéral pour les affaires économiques et le contrôle des exportations » avy amin’ny firenena alemana.

Jean Claude

Partager sur: