Naratra mafy ny mpanao gazety eo anivon’ny radiom-pirenena, afakomaly. Mbola voaendaka ihany koa izy ka very avokoa ny fitaovam-piasany teny Namontana.
Voatsatok’antsy teo amin’ ny tratrany sy ny lamosiny teo Namontana, mpanao gazety iray ny alin’ny 17 desambra lasa teo. Voatery naiditra sampana vonjy aina teo anivon’ny HJRA Ampefiloha ity lasibatra. Nirava avy niasa, hamonjy fodiana izy. « Nirava tamin’ny 10 ora alina tany am-piasana aho ka niala teo Mandrangombato II», hoy ny fanazavany. Nihazo ny lalankely ho any an-tranony izy rehefa napetraky ny fiara.
“Efa misy andrimasom-pokonolona mba manatitra hatraty an-trano. Nifanena tamin’ny telo lahy hafa anefa izahay tao anatin’ny elakelan-trano”, hoy izy. Namoaka sabatra avy hatrany ny olon-dratsy. Nanery azy hamoaka ny vola sy ny fitaovana sarobidy teny aminy. Niezaka nanohitra izy saingy mbola voaroba ihany. “Tsy hitako ny nandosiran’ireo roa lahy andrimasom-pokonolona efa mpanatitra ahy”, hoy ny fanazavany. Nanda tsy hanome ireo fitaovana teny aminy ny lasibatra. Noleran’ireo sabatra izy ka lavo tamin’ny tany. Nirifatra nandositra niaraka tamin’ny kitapo nisy ny fitaovam-piasan’io mpanao gazety io ireo jiolahy.
Natsipin’ny lasibatra tsy lavitra azy ny finday tamin’ny fotoan’ny fanafihana. Nentin’ ny tsara sitrapo namonjy ny hopitaly HJRA avy hatrany izy. “Nanao sarotra ny fandraisana teo anivon’ny hopitaly noho ny fiandrasana ny mpitsabo tomponandraikitra”, hoy izy. Nanaraka fitsaboana akaiky, tsy nisy nahiana ny ainy.
Tranga iray hafa!
Ankoatra io, mpiasa amina haino aman-jery iray hafa koa lasibatra teny Alasora, io talata 17 desambra io ihany. Marihina, anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana ao Namontana sy Anosibe ary ny manodidina. Tsy afa-manoatra anefa ireo mponina anatin’io fokontany voalaza io noho ny fitadiavana. Tsy maintsy mody alina izy.
Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana manoloana ny tranga fanendahana miaro herisetra miseho lany tahaka ity tetsy Namontana ity?
Tsiferana R.