Lehilahy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny fokontany Imerimanjaka, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo ny zandary miasa eny an-toerana momba ny fisiana mpivarotra rongony. Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nosavain’ny zandary ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Sarona tao aminy ny rongony nilanja 832 grama. Efa notsinjarainy tamin’ny alalan’ny fonosana ny am-pahany tamin’ireo entana ireo. Amidiny an-tsinjarany, niaiky tokoa ity farany fa anisan’ny mpanamparitaka io zava-mahadomelina io. Nentina natao famotorana izy. Natolotra ny fampanoavana ka notanana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.