Nampiditra omby tao amin’ny labatoara: Patiraon’omby notafihin’ny jiolahy nisaron-tava

Tsy laitra iainana intsony ! Miseholany hatrany ny fanafihana mitam-piadiana etsy sy eroa ao andrenivohitr’i Toa­masina. Ny alatsinainy 16 desambra 2024 vao maraina, nidirana andian-jiolahy dimy samy misaron-tava niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ny tao an-tokotanin’olona iray. Misy trano maromaro anefa ao amin’io tanàna io. Anisan’ny mipetraka ao ny mpandraharaha mom­ba ny omby. Notorahan’ ireo jiolahy ny vato ny tafon-trano manodidina. Tsy vitan’izay fa mbola nohozongozonin’izy ireo koa ny varavarana sady mandrahona ry zalahy. « Mivoaha raha te ho faty », hoy ireo jiolahy, araka ny tatitra nampitain’ireo niharan’ny fanafihana. Ny jiolahy sasany kosa nanao izay fomba rehetra nidirana an-keriny tao amin’ilay tokantrano. Voalaza fa vao nampiditra omby maromaro tao amin’ny labatoara io patiraon’omby io. Noheverin’ ireo jiolahy fa misy volabe tao an-tranony tamin’io fotoana io. Hatreto aloha tsy mbola fantatra mazava ny vola voaroba tao amin’ilay patiraon’omby. Fantatra fotsiny fa nisy vola lasa nandritra io fanafihana io. Nitsoaka nihazo ny lalam-pasika ry zalahy taorian’ny fanafihana. Ny loharanom-baovao hatrany no nilaza fa nisy fiara niandry teo amin’ny lalana rarivato (pavé) Ankiri­hi­ry parisela 11/54. Toerampitsoahan’ireo jiolahy avy manao fanafihana iny lalana iny saingy tsy mbola tratra kosa ireo olon-dratsy.

Sajo

Partager sur: